JESOSY,

NY FIAINANY, NY FAMPIANARANY

 

Boky 2

JAONA MPANAO BATISA,

ILAY MPAMINANY NIRAHINA HILAZA AMIN'NY ISRAELY

FA JESOSY NO ILAY KRISTY, ILAY ZANAK'ANDRIAMANITRA,

IZAY TONGA HAMETRAKA NY FANJAKAN'ANDRIAMANITRA ETO AN-TANY

 

Ny asa nanirahana an'i Jaona Mpanao batisa dia ny “hamboatra ny lalan'ny Tompo”. Kristy tokoa mantsy, Izay Andriamanitra mihitsy, dia hiseho eo anivon'ny Israely vahoakany, mba hametraka ny fanjakany ; ary io vahoaka io dia tokony hanana toe-tsaina amam-panahy vonona handray Azy ho Mpanjaka. Saingy tamin'ny ankapobeny, ny Israely dia nihodina tamin'Andriamanitra ary nivadika taminy ; koa tsy ampy izany ny hoe miantehitra amin'ireo tombontsoa nananan'ny vahoakan'Andriamanitra, efa hatramin'i Abrahama sy Mosesy, fa nilaina koa ny fibebahana hiasa ao am-pon'ny tsirairay. Io fiovana anaty io no tokony hovokarin'ny asa fanompoan'i Jaona Mpanao batisa ; ny batisan'ny fibebahana no notoriany, hetsika anekena ampahibemaso ny fahamelohan'ny tena. Ho an'ireo olona nanao izany no nahatongavan'ny Tompo hanolotra famelan-keloka.

 

 

ASA FANOMPOAN'I JAONA MPANAO BATISA

Manomana ny Israely ho amin'ny fahatongavan'i Kristy

Milaza fa Jesosy no Ilay Kristy

 

n Fiandohan'ny asa anirahana an'i Jaona Mpanao batisa. Io vaninandro io dia voamariky ny fikorontanana ara-piarahamonina sy ara-pivavahana tany Israely, tsy araka ny fandaminana tokony ho izy, napetrak'Andriamanitra : mizara efatra ny tany, ary vahiny no mpanapaka azy ; misy mpisoronabe roa (Anasy sy Kaiafa) raha tokony ho iray !

 

Lioka 3. 1-2

1 Ary tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Tiberio Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, ary Heroda no mpanapaka tany Galilia, ary Filipo rahalahiny no mpanapaka ny tany Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania no mpanapaka tany Abilena,

2 ary Anasy sy Kaiafa no mpisoronabe  —dia tonga tamin'i Jaona, zanak'i Zakaria, tany an'efitra ny tenin'Andriamanitra.

 

n Jaona Mpanao batisa dia nanambara ny fiavian'i Kristy tsy ho ela, amina teny mifanaraka amin'ny faminaniana iray nataon'i Isaia. Tsy maintsy mibebaka ny Israely, hiomanany amin'izany fiaviana izany.

 

Matio 3. 1-2

1 Ary tamin'izany andro izany dia niseho Jaona Mpanao batisa, nitory tany an'efitr'i Jodia nanao hoe :

2 Mibebaha ianareo ; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.

Lioka 3. 3-6
3 Ary nankany amin'ny tany rehetra any amoron'i Jordana izy nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka ;

4 araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'ny tenin'Isaia mpaminany hoe :

“Injany ! misy feon'ny miantso mafy any an'efitra hoe :

Amboary ny làlan'i Jehovah,

Ataovy mahitsy ny làlan-kalehany.

5 Ny lohasaha rehetra hototofana,

Ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry,

Ary ny meloka hahitsy,

Ary ny làlana mikitoantoana hohamarinina ;

6 Ary ny nofo rehetra hahita ny famonjen'Andriamanitra” (Isa. 40. 3-5).

 

n Vokatry ny toritenin'i Jaona Mpanao batisa.
Maro ny nitady  hahalala ny fomba hiomanana ho amin'ny fiavian'i Kristy ; niaiky ny fahotany izy ireo ary natao batisa ; mariky ny fibebahany no asehony amin'izany.

 

Matio 3. 5-6

5 Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin'ny tany rehetra amoron'i Jordana dia nivoaka nankany amin'i Jaona,

6 ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.

 

n Jaona Mpanao batisa dia nampitandrina ireo mpitari-pivavahana jiosy izay nanatona azy, nefa tsy nibebaka an-kitsim-po akory.
Nomena andraikitra hanomana ny fiavian'ny Kristy i Jaona Mpanao batisa, ka nampitandrina ireo mpitari-pivavahana jiosy fa tsy ampy hiaro azy ireo amin'ny fahatezeran'Andriamanitra ny maha zanak'i Abrahama azy ireo. Ny takian'Andriamanitra, dia ny fibebahana arahina vokatra tena izy, izany hoe ireo hetsika azo tsapain-tanana ahitana fa tena niova tokoa ny tena. 

 

Matio 3. 7-10

7 Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy : Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy ?
8 Koa mamoaza voa mendrika ny fibebahana ianareo ;

9 ary aza manao anakampo hoe : Manana an'i Abrahama ho rainay izahay ; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.

10 Ary, indro, efa mipetraka eo amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky ; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.  

 

n Mamaly ny hetahetam-panahin'ireo vahoaka i Jaona Mpanao batisa.
Vahoaka marobe  —ary anisan'izany, mpamory hetra sy miaramila—  no tonga manontany an'i Jaona Mpanao batisa, momba izay manahirana azy ireo manokana. Valinteny avy amin'Andriamanitra no nentin'i Jaona ho an'ny tsirairay, mampirisika azy ireo hanao ny fahamarinana sy hampiseho hamoram-po, toetra izay tokony hampiavaka ny mpino rehetra eo amin'ny fiainany andavanandro.  

 

Lioka 3. 10-14

10 Ary ny vahoaka nanontany an'i Jaona hoe : Inona ary no hataonay ?

11 Ary namaly izy ka nanao taminy hoe : Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an'ny tsy manana ; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy.

12 Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hoe : Mpampianatra ô, inona no hataonay ?

13 Ary hoy izy taminy : Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo.

14 Ary nisy miaramila koa nanontany azy ka nanao hoe : Ary inona kosa no mba hataonay ? Dia hoy izy taminy : Aza mitohatoha foana amin'olona, ary aza miampanga lainga, ary mianìna amin'ny karamanareo.

 

n Manoloana ny toriteny feno fahefana nataon'i Jaona Mpanao batisa, dia maro no nanontany tena raha izy no Kristy.

Lioka 3. 15

15 Fa raha mbola niandry ny olona, ka samy nisaina an'i Jaona tam-pony, na izy no Kristy, na tsia,

 

n Mibebaka na iharan'ny fahatezeran'Andriamanitra : izany no safidy nomena ny Israely sy ny olona tsirairay.
Ireo izay mandà tsy hibebaka noho ny fahotany dia hiharan'ny fahatezeran'Andriamanitra, dia  "ny batisan'ny afo" : hatsipy any amin'ny afo tsy mety maty izy ireo. Ireo izay mibebaka noho ny fahotany ka mino an'i Kristy dia mandray ny Fanahy Masina: izy ireo no tena zanak' Andriamanitra.

Lioka 3. 16-18

16 dia namaly Jaona ka nanao tamin'izy rehetra hoe : Izaho manao batisa anareo amin'ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho ; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo ;

17 eny an-tànany ny fikororohany (fitaovana hanasarahana ny vary amin'ny akofa na bozaka miaraka aminy) hanadiovany tsara ny ao am-pamoloany (famoloana : toerana hivelesana ny vary) ka hanangonany ny vary (tena izy) ho any amin'ny sompiny ; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy azo vonoina.

18 Ary fananarana maro hafa koa no notoriny tamin'ny olona.

 

n Jaona Mpanao batisa dia olona mahantra fitafy toy ny mpaminany.

Matio 3. 4

4 Ary ny fitafian'izany Jaona izany dia lamba volon-drameva, ary fehikibo hoditra no tamin'ny valahany ; ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.

 

n Batisan'i Jesosy.

Matio 3. 13-17

13 Ary tamin'izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron'i Jordana, dia nanatona an'i Jaona Izy mba hataony batisa.

14 Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe : Izaho no tokony hataonao batisa, ka Ianao indray va no mankatỳ amiko ?

15 Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe : Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy.

16 Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin'ny rano niaraka tamin'izay Izy ; ary indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.

17 Ary, injao ! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe : Ity no Zanako malalako Izay sitrako.

 

Tadidiako fa :

Na dia tsy nanana ota aza Jesosy, ary noho izany, tsy nanana na inona na inona hiekena, dia nanaiky hataon'i Jaona batisa Izy, na dia batisa natao ho ana mpanota mibebaka aza izany ! Nanatona an'i Jaona Mpanao batisa ny Kristy mba hataony batisa, ary tamin'izany Izy dia nampiseho lafiny iray momba ny asa anirahana Azy : manakaiky ireo mibebaka, mampiseho azy ireo fa marina ny lalana izorany. Nefa mba tsy hampifangaroana ny Kristy amin'ny mpanota, dia niteny avy any an-danitra Andriamanitra, nanao izao fanambarana manetriketrika izao momba ny Mpanompony masina, dia Jesosy : “Ity no Zanako malalako Izay sitrako”.

 

Vao vita ny batisa, dia nidina teo ambonin'i Jesosy ny Fanahy Masina, tamina endrika hita maso (voromailala). Tamin'izany no nanehoana feno an'Andriamanitra, amin'ny maha Telo Izay Iray Azy : Ray, Zanaka ary Fanahy Masina.

 

Efa nambara tamin'i Jaona Mpanao batisa fa io fidinan'ny Fanahy Masina ho hita maso io no marika hahafantarana ny Kristy. Tatỳ aoriana “Jaona nanambara ka nanao hoe : Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voromailala ka nitoetra teo amboniny. Ary izaho tsy nahalala Azy ; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe : Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina. Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak'Andriamanitra(Jaona 1. 32-34).

 

Taorianan'ny batisany, dia nitokana tany an-taniefitra nandritra ny 40 andro Jesosy, mba hisaintsaina sy hivavaka. Tany, tao amin'io taniefitra io, no hakan'ny devoly fanahy Azy.  

 

NALAINA FANAHY I JESOSY

Ny mampiavaka ny olona ankasitrahin'Andriamanitra, dia ny fanaovany mandrakariva ny sitrapony sy fankatoavany Azy, ary ny fiankinany tanteraka aminy ; io sitrapon'Andriamanitra io dia fantatra amin'ny famakiana ny Teniny izay voasoratra  —ny Soratra Masina—, izay manambara ny fihevitr'Andriamanitra. Izany koa no efa nolazain'ny Kristy, ny Mesia, tamin'Andriamanitra talohan'ny hahatongavany teto an-tany : “Inty Aho tonga  —ao amin'ny horonam-boky no nanoratana Ahy—  hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô … (Hebreo 10. 7).

Ny Mesia (antsoina ihany koa hoe ny Kristy) dia efa eto an-tany izao, ao amin'i Jesosy  —tena olona, ary noho izany, voafetra toy ny olona rehetra : mahalala hanoanana, hetaheta, havizanana…—, koa  naka fanahy Azy nandritra ny 40 andro ny devoly ; ary ireo fakam-panahy telo farany ihany no tantaraina amintsika ao amin'ny Filazantsara. Satria nahomby i Satana tamin'i Adama, ilay olona voalohany, dia hiezaka izy amin'ireo hafetsena sy lainga, ny handavo an'i Jesosy, hamily Azy tsy hankatò tanteraka an'Andriamanitra sy tsy hiankina amin'ny Soratra Masina.

 

n Fakam-panahy voalohany.

Lioka 4. 1-4

1 Ary Jesosy feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana, ary nentin'ny Fanahy tany an'efitra efapolo andro Izy

2 ka nalain'ny devoly fanahy. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin'izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy.

3 Ary hoy ny devoly taminy : Raha Zanak'Andriamanitra Ianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo.

4 Fa Jesosy namaly azy ka nanao hoe : Voasoratra hoe : “Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona” (Deo. 8. 3).

 

Tadidiako fa :

Noana Jesosy, rehefa tsy nihinan-kanina nandritra ny 40 andro. Nanisi-kevitra taminy ny devoly mba hiteny ny vato  ho tonga mofo, izany hoe mba hampiasa ny fahefany amin'ny maha Zanak'Andriamanitra Azy, hamaly ny filàn'ny vatany. Ny tian'ny devoly hahatongavana amin'izany, dia ny hanakana an'i Jesosy tsy hiantehitra amin'Andriamanitra fotsiny ihany, na dia momba ny filàny ara-drariny aza.

 

Tsy lavon'izany fakam-panahy izany Jesosy. Amin'ny maha Mesia niaina eto an-tany Azy, dia tsy nivaona Izy tamin'ny lalana voasoritra ho Azy ao amin'ny Soratra Masina, hoe olona miankin-doha tanteraka amin'Andriamanitra sy miaina ny Teniny. Ka ho valin'ny soso-kevitry ny devoly, dia andininy tena mitombina ao amin'ny Testamenta Taloha no notanisainy, hoe : “Tsy mofo ihany no iveloman'ny olona ; fa izay rehetra aloaky ny vavan'i Jehovah (Deoteronomia 8. 3).

 

Adama dia tsy natoky an'Andriamanitra ary nihaino ny devoly. Fa mifanohitra amin'izany kosa, Jesosy, ilay Adama faharoa, dia natoky hatrany an'Andriamanitra sy ny Soratra Masina. Ary tamin'ny fitanisany io andininy io, dia asehony amintsika fa toy ny ilàn'ny olona sakafo ho an'ny vatany raha noana izy, no ilàny koa sakafo ho an'ny fanahiny, sakafom-panahy, izay tsy inona fa ny Tenin'Andriamanitra. Ampianariny antsika ihany koa fa tsy tokony hanao toy ny vahoaka Israely isika : novalian'Andriamanitra tokoa mantsy ny filàn'izy ireo ara-batana, ka nomeny ny mana izy ireo, ho sakafo tany an-taniefitra ; nefa dia nanjary hadinony ny zava-dehibe indrindra ho an'ny tsirairay, dia ny mihaino an'Andriamanitra sy mampihatra ny Teniny. Farany, asehon'i Jesosy fa ny mitanisa ny Soratra Masina sy mifahatra no tokony hatao, rehefa alain'ny devoly fanahy.

 

n  Fakam-panahy faharoa.

Lioka 4. 5-8

5 Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipy maso ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao.

6 Dia hoy ny devoly taminy : Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy ;

7 koa raha hiankohoka eto anatrehako Ianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany.

8 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Voasoratra hoe : “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao” (Deo. 6. 13 ; 10. 20).

 

Tadidiako fa :

Indray andro any tokoa Jesosy dia hanapaka ny fanjakana rehetra eto an-tany, amin'ny maha Mpanjakan'ny mpanjaka Azy ; saingy avy amin'ny tànan'ny Rainy no handraisany izany voninahitra izany, vokatry ny asany sy ny fankatoavany hatramin'ny fahafatesana.   

Eto ihany koa dia tsy lavo Jesosy teo anatrehan'ny fakam-panahy nataon'ny devoly, izay nilaza ny hanolotra ho Azy io fanapahana io (izay tsy an'ny devoly akory), raha miankohoka eo anatrehany Izy.  Niantehitra tamin'ny Soratra Masina Jesosy, nilaza fa Andriamanitra irery ihany no tokony hiankohofana sy tompoina : “ Voasoratra hoe : 'Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao' (Deoteronomia 6. 13) ; asehony antsika amin'izany ny tokony hataon'ny zanak'olombelona tsirairay manoloana andriamani-kafa.

 

n Fakam-panahy fahatelo.

Lioka 4. 9-12

9 Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy, dia nampitoetra Azy teo an-tampon'ny tempoly ka nanao taminy hoe : Raha Zanak'Andriamanitra Ianao, mivarìna any ambany any ;

10 fa voasoratra hoe :

“Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao ;

11 Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao,

Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao”.

12 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Voalaza hoe : “Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao” (Deo. 6. 16).

 

Tadidiako fa :

Tsy nahomby ny devoly raha nikasa hanakana an'i Jesosy tsy hiantehitra amin'ny Soratra Masina. Koa izao izy dia miezaka ny haka fanahy Azy indray, amin'ny fitanisana ny Tenin'Andriamanitra. Nefa niniany nodisoina izany : tsy nolazainy ny hoe “eny amin’izay rehetra halehanao” eo amin'ny andininy 11 ao amin'ny Salamo 91.

Voasoratra tokoa mantsy, momba ny Mesia rehefa ho eto an-tany Izy, ao amin'ny Salamo 91. 10-12, hoe : “Dia tsy hisy loza hanjo anao, na aretina hanakaiky ny lainao. Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro anao eny amin’izay rehetra halehanao. Eny an-tànany no hitondran’ireo anao,

fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.” Nefa ny “alehan' ” ny Mesia, ny lalany eto an-tany, dia lalana fankatoavana sy fanoavana tanteraka ny Andriamaniny ; ary ao amin'io lalana io no ananan'i Jesosy antoka, amin'ny maha Olona Azy, fa ho voaaro Izy. Tsy nila naka fanahy an'Andriamanitra Izy, hizaha toetra Azy araka ny hevitra nasisik'i Satana, mba hahitana raha marina ny Teniny na tsia. Ninian'i Satana tsy notononina ihany koa ny andininy faha-13 ao amin'io Salamo 91 io, izay manambara ny handresen'i Kristy an'i Satana any am-parany : “Ny liona masiaka sy ny vipera hodiavinao ; ny liona tanora sy ny menarana no hohitsahinao”.

 

Koa tamin'ireo fakam-panahy rehetra ireo, dia niezaka i Satana hitarika an'i Jesosy hiala amin'ny maha olona mankatò tanteraka Azy, sy hanisika ao an-tsainy fieritreretana misy nahim-po manokana, avonavona ary fisalasalana, mba hampirisihina Azy hiaraka aminy, hioko amin'Andriamanitra. Saingy tsy nihaino azy Jesosy, fa nanohitra tamin'ny Tenin'Andriamanitra, izay hany Fahamarinana afaka mampihemotra azy. Isika ihany koa dia tsy tokony hihaino azy. Ny mifanohitra amin'izany aza, tokony HAHALALA SY HITANISA TSARA NY SORATRA MASINA isika rehefa alaim-panahy ; izany no fomba ahafahantsika manohitra ny devoly, ka handosirany antsika (Jakoba 4. 7).

 

Ny fomba nandresen'i Jesosy ireo fakam-panahy ireo dia modely ho antsika. Porofo koa izany fa afaka nanomboka ny asa fanompoany teto an-tany Jesosy, satria nampiseho fa nahatoky tamin'izay nangatahin'Andriamanitra taminy.

 

Lioka 4. 13

13 Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha.

Marka 1. 13

13 ary teo amin'ny bibidia Izy (Jesosy), ary ny anjely nanompo Azy.

Matio 4. 11

11 Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy.

 

 

MOMBA NY KRISTY, ILAY ZANAK'ANDRIAMANITRA

Hatrizay hatrizay, talohan'ny namoronana izao tontolo izao, dia Andriamanitra ny Kristy, Izy no Ilay Teny hatrizay hatrizay. Io Teny hatrizay hatrizay io, fanehoana ireo fihevitr'Andriamanitra, dia tonga nofo ; izany hoe naka endrik'olombelona Andriamanitra, ary nanjary olombelona nofo sy ra Izy (izay no dikan'ny hoe tonga nofo), tena olona, niaina sy niseho teo anivon'ny olombelona.

Ny Kristy dia Andriamanitra, nefa tsy nampiasa ny fahefany Izy tamin'ny andavanandro, fa niaina toy ny olombelona eo anivon'ny olombelona, mba hahafahantsika mahafantatra an'Andriamanitra akaikikaiky kokoa.

 

n Ny Kristy dia Andriamanitra hatrizay hatrizay.
Anisan'ny Telo Izay Iray ny Kristy, efa nisy hatrizay hatrizay ary ho mandrakizay, taloha lavitra ny nahatongavany teto an-tany, ary miavaka amin'Andriamanitra
(Ray), nefa Andriamanitra ihany koa. Izy, amin'ny maha Izy Azy, no Ilay Teny mandrakizay : Izy dia Andriamanitra.

 

Jaona 1. 1-2

1 Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.

2 Izy dia tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany.

 

n Talohan'ny nahatongavany ho nofo, dia namorona ny lanitra sy ny tany ny Kristy : Izy no Jehovah, Izy no Ilay Andriamanitra Mpahary.

Jaona 1. 3

3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra ; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.

 

n Amin'ny maha Izy Azy ny Kristy dia aina, ary amin'ny maha aina Azy, dia manome aina ny fanahy Izy. Noho izany, izay rehetra omen'i Kristy ny aina dia naterak'Andriamanitra, mandray ny fiainana mandrakizay.

Jaona 1. 4

4 Izy no nisiam-piainana ; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.

 

Tadidiako fa :

 “… ary ny fiainana no fanazavana ny olona” dia midika fa ny aina avy amin'i Kristy dia fahazavana ho an'ny olona mandeha sy miaina ao anaty haizina, fahazavana avy amin'Andriamanitra, fahazavana miseho amin'ireo teny aloaky ny vavany ary manambara an'Andriamanitra, manazava ny olona tsirairay momba ny tena toerana misy azy, mitarika ny olona ho amin'ny lalana mankany amin'Andriamanitra.

 

n Amin'ny maha Izy Azy ny Kristy dia fahazavana, ary mitondra ny fahazavan'Andriamanitra Izy, ao amina tontolo voamariky ny ota.

Jaona 1. 5

5 Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin’ny maizina ; fa ny maizina tsy nandray azy.

 

Tadidiako fa :

Rehefa niseho teo amin'ny olombelona ny Kristy  —izany hoe Andriamanitra maka endrik'olombelona ary miseho eto an-tany—, dia tsy hain'izy ireo ny namantatra Azy sy ny hafatra nentiny, noho ny haizina ara-toe-panahy nisy azy ireo.  

 

NY LAZAIN'NY APOSTOLY JAONA MOMBA AN'I JAONA MPANAO BATISA

Jaona 1. 6-8

6 Nisy lehilahy nirahin’Andriamanitra, Jaona no anarany.

7 Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan’ny olona rehetra noho ny teniny.

8 Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy.

 

 

NY LAZAIN'NY APOSTOLY JAONA MOMBA AN'I JESOSY

n Satria Jesosy no fanehoana ny fihevitr'Andriamanitra, dia Izy no tena Mazava.

Jaona 1. 9

9 Tao ny tena Mazava, Izay mahazava ny olona rehetra, tonga amin’izao tontolo izao.  

 

n Nony naka endrik'olombelona tao amin'i Jesosy Andriamanitra ka tonga teto an-tany, dia tsy nahalala io Mpahary azy io izao tontolo izao. Na Israely aza, ilay vahoaka tokony ho nandray Azy, dia nanilika Azy nony tonga teo anivony Izy.

Jaona 1. 10-11

10 Teo amin’izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.

11 Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.

 

n Ireo izay nahita an'Andriamanitra tao amin'i Jesosy ka nino Azy, dia nomen'i Jesosy zo ho tonga zanak'Andriamanitra.

Jaona 1. 12-13

12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,

13 dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon’ny nofo, na ny sitrapon’ny olona, fa naterak’Andriamanitra.

 

n Tonga olona ny Zanak'Andriamanitra, tonga teto an-tany ary nonina teto, nampiseho ireo toetran'Andriamanitra mihitsy.

Jaona 1. 14

14 Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika ; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra mendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.

 

Tadidiako fa :

Afaka nahita an'Andriamanitra ny olona, tao amin'i Jesosy. Izy no nitondra ho an'ny olona izay tena nilainy indrindra : ny fahasoavana, ny fitiavan'Andriamanitra manintona ny mpanota, ary ny fahamarinana, mampiseho ny toerany eo anatrehan'Andriamanitra sy ny filàny Mpamonjy.

 

NAMBARAN'I JAONA MPANAO BATISA

FA JESOSY NO KRISTY, ILAY ZANAK'ANDRIAMANITRA

 

n Jesosy no Zanak'Andriamanitra, satria avy any an-danitra Izy ; lehibe mihoatra noho ny mpaminany rehetra Izy, eny, mihoatra noho i Mosesy aza.

Jaona 1. 15-17

15 Jaona nanambara Azy ka niantso hoe : Izy Ilay nolazaiko hoe : Izay avy ao aoriako dia efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.

16 Fa tamin’ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana.

17 Fa ny lalàna dia nomena tamin’ny alalan’i Mosesy ; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy.

 

n Jesosy no niaina akaiky indrindra ny Ray, koa Izy irery no afaka manambara Azy.

Jaona 1. 18

18 Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanaka Lahitokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy.

 

n Nanontany tena ny Jiosy raha i Jaona no Kristy, koa nambarany tamin'izy ireo fa efa ao Israely ny Kristy, saingy mbola tsy fantatry ny vahoaka ; ary manambara ny voninahitry ny Tompo izy ka manetry tena eo anatrehany.

Jaona 1. 19-28

19 Ary izao no nambaran’i Jaona, raha ny Jiosy naniraka mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe : Iza moa ianao ?

20 Ary nilaza marina izy ka tsy nandà, fa hoy ny filazany : Tsy izaho no Kristy.

21 Ary izy ireo nanontany azy hoe : Ahoana ary ? Elia va ianao ? Fa hoy izy : Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va ianao ? Fa izy namaly hoe : Tsia.

22 Dia hoy ireo taminy : Iza ary ianao ? mba hitondranay valiny ho any amin’izay naniraka anay. Lazainao ho iza moa ny tenanao ?

23 Dia hoy izy : “Izaho dia feon’ny miantso mafy any an’efitra hoe : Ataovy mahitsy ny làlan’i Jehovah” (Isa. 40. 3), araka izay nolazain’Isaia mpaminany.

24 Ary iraka avy tamin’ny Fariseo ireo.

25 Dia nanontany azy ireo ka nanao taminy hoe : Nahoana ary ianao no manao batisa, raha tsy ianao no Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany ?

26 Jaona namaly azy ka nanao hoe : Izaho manao batisa amin’ny rano ; fa eto aminareo misy Anankiray Izay tsy fantatrareo,

27 dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.

28 Izany zavatra izany dia natao tany Betania any an-dafin’i Jordana, izay nanaovan’i Jaona batisa.

 

n Noho ilay famantarana ny Kristy (Izay ho hitanao idinan’ny Fanahy avy any an-danitra tahaka ny voromailala ka mitoetra eo amboniny no Kristy) dia hitan'i Jaona, rehefa nanao batisa Azy izy, fa Jesosy no Ilay Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra. Takany fa Jesosy no Ilay hanao batisa amin'ny Fanahy Masina. Ary natao fantany koa fa Jesosy no Ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao.

Jaona 1. 29-34

29 Nony ampitso dia nahita an’i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy : Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao !

30 Izy Ilay nolazaiko hoe : Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy. 31 Ary izaho tsy nahalala Azy ; fa mba haseho amin’ny Israely Izy, izany no niaviako manao batisa amin’ny rano.

32 Ary Jaona nanambara ka nanao hoe : Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voromailala ka nitoetra teo amboniny.

33 Ary izaho tsy nahalala Azy ; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin’ny rano no nilaza tamiko hoe : Izay ho hitanao idinan’ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin’ny Fanahy Masina.

34 Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak’Andriamanitra.

 

Tadidiako fa :

Ny fahadisoan'i Adama dia nisy akony tamin'ny zanak'olombelona rehetra. Mba hanadiovana ny olona ho afaka amin'ireo fahotany, sy hanesorana ny ota tsy ho eo imason'Andriamanitra, dia tsy maintsy nisy sorona lavorary nampiharana ny fitsarana. Jesosy io sorona io, Ilay Zanak'ondry nofidin'Andriamanitra hanatanteraka ireo fikasany hatrizay hatrizay : “ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao ”. Ny nanolorany ny ainy ho sorona noho ny ota no mahatonga ny mpino ho voadio, voavonjy, ary miaina manomboka hatreo ao anaty fanantenana feno voninahitra fa indray andro any izy dia hiaraka amin'i Kristy, hitovy endrika aminy any an-danitra.Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray (fahadisoan'i Adama) no nahatongavan’ny fanamarinana ho amin’ny fiainana kosa ho an’ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray (ny lanjan'ny asan'i Jesosy teo amin'ny hazofijaliana)” (Romana 5. 18).

 

Fanamarihana

Ny vokatry ny sorona nataon'i Kristy nanala ny fahotan'izao tontolo izao dia mbola tsy azo tsapain-tànana, satria mbola eo amin'izao tontolo izao ihany ny ota, eo imason'Andriamanitra sy eo imasontsika. Ho tanteraka an-tsakany sy an-davany io vokatra io rehefa hisy tontolo hafa, “lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana ” (2 Petera 3. 13). Ao, ao amin'io tany vaovao io, vao tena ho afaka ny ota ary ho lavorary ny zavatra rehetra, satria tsy misy na inona na inona intsony mifanohitra amin'ny fahamasinan'Andriamanitra. Koa ho tanteraka ny faniriany, dia ny hoe : “Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny” (Apokalypsy 21. 3).

 

MAMPAHAFANTATRA AN'I JESOSY AMIN'IREO MPIANANY I JAONA MPANAO BATISA

-      Ambarany amin'izy ireo fa Jesosy no Ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra ;

-      Notarihiny izy ireo hibanjina ny halavorarin'i Jesosy ary notaominy hanatona Azy ka hanaraka Azy ;

-      Dia ireo mpianatr'i Jaona izay nanaraka an'i Jesosy indray no niresaka Azy tamin'olon-kafa ary nitondra olona ho eo aminy.

 

n Andrea sy Petera.

Jaona 1. 35-42

35 Nony ampitson’iny indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy ;

36 ary nijery an’i Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe : Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra ! 37 Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an’i Jesosy.

38 Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe : Inona no tadiavinareo ? Ary hoy izy roa lahy taminy : Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô), aiza Ianao no mitoetra ? 39 Hoy Izy taminy : Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy tamin’izany andro izany ; ary efa tokony ho ora fahafolo tamin’izay.

40 Andrea, rahalahin’i Simona Petera, no anankiray tamin’izy roa lahy, izay nandre ny tenin’i Jaona ka nanaraka an’i Jesosy.

41 Izy no nahita an’i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy : Efa nahita ny Mesia izahay (izay atao hoe, raha adika, ny Kristy).

42 Dia nitondra azy ho any amin’i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy Izy : Ianao no Simona, zanak’i Jaona ; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera).

 

n Filipo sy Natanaela.

Jaona 1. 43-51

43 Nony ampitso dia te hiala ho any Galilia Jesosy, ary nahita an’i Filipo Izy ka nanao taminy hoe : Manaraha Ahy.

44 Ary Filipo dia avy any Betsaida, tanànan’i Andrea sy Petera.

45 Filipo kosa nahita an’i Natanaela ka nanao taminy hoe : Efa hitanay Ilay nosoratan’i Mosesy tao amin’ny lalàna, sy nosoratan’ny mpaminany, dia Jesosy, zanak’i Josefa, avy any Nazareta.

46 Ary hoy Natanaela taminy : Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta ? Dia hoy Filipo taminy : Andeha hizaha.

47 Jesosy nahita an’i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe : Indro ny tena Israelita tsy misy fitaka.

48 Hoy Natanaela taminy : Ahoana no ahafantaranao ahy ? Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe : Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin’ny aviavy ianao.

49 Dia namaly Natanaela ka nanao hoe : Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra ; Ianao no Mpanjakan’ny Israely.

50 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin’ny aviavy ianao no inoanao ? Hahita zavatra lehibe noho izany ianao.

51 Ary hoy koa Izy taminy : Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin’ny Zanak’olona.

 

Tadidiako fa :

Andrea sy Simona Petera rahalahiny, ary Filipo sy Natanaela, no voalohany nanaraka an'i Jesosy, nony resy lahatra fa Izy tokoa no Ilay Mesia nandrasana, ary koa nahatakatra fa Izy no Ilay Zanak'Andriamanitra. Ary izao dia tsy maintsy hamafisina ny finoan'ny mpianatra, koa izany no nanaovan'i Jesosy ireo fahagagana, izay manamarina ny maha Andriamanitra Azy, manambara fa ny Ray no naniraka Azy,  manaporofo fa Izy mihitsy no Ilay Mesia, Ilay Zanak'Andriamanitra, "Ilay nosoratan’i Mosesy tao amin’ny lalàna, sy nosoratan’ny mpaminany".

 

 

MANOMBOKA MIASA I JESOSY 

 

n Fahagagana voalohany nataon'i Jesosy.
Nasaina hanatrika fampakarambady tany Kana any Galilia i Jesosy, ary nanova ny rano ho divay. Nanao izany fahagagana izany Izy mba hanehoany ny voninahiny sy mba handreseny lahatra tanteraka ny mpianatra fa Izy, Jesosy, no Kristy, Ilay Zanak' Andriamanitra.

 

Jaona 2. 1-12

1 Ary tamin’ny andro fahatelo dia nisy fampakarambady tao Kana any Galilia ; ary tao ny renin’i Jesosy.

2 Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nalainy ho ao amin’ny fampakarambady.

3 Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin’i Jesosy taminy : Tsy manana divay izy.

4 Hoy Jesosy taminy : Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao ? tsy mbola tonga ny fotoanako.

5 Fa hoy ny reniny tamin’ny mpanompo : Ataovy izay asainy ataonareo.

6 Ary nisy siny vato enina mahalany rano indroa na intelon’ny vata avy nipetraka teo ho fanadiovana araka ny fanaon’ny Jiosy.

7 Dia hoy Jesosy taminy : Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin’ny molony.

8 Ary hoy Jesosy taminy : Tovozy amin’izao, ka ento ho eo amin’ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny.

9 Ary raha nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay niaviany (fa ny mpanompo izay nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra izy

10 ka nanao taminy hoe : Araka ny fanaon’ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha ; ary rehefa nisotro be ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa ; fa ianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny.

11 Izany no nataon’i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny ; ary nino Azy ny mpianany.

12 Rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kapernaomy Jesosy mbamin’ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany ; nefa tsy nitoetra ela teo Izy.

 

Tadidiako fa :

“Raha mandray ny fanambaran’ny olona isika, lehibe lavitra ny fanambaran’Andriamanitra ; fa ny fanambaran’Andriamanitra dia ny nanambarany ny Zanany. Izay mino ny Zanak’Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny ; izay tsy mino an’Andriamanitra dia efa nampandainga Azy, satria tsy mino ny fanambarana izay nanambaran’Andriamanitra ny Zanany izy. Ary izao no fanambarany : Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana ; izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana(1 Jaona 5. 9-12).

Koa nisy fanambarana avy amin'Andriamanitra milaza fa Jesosy no Ilay Zanak'Andriamanitra, Ilay hany afaka manome ny fiainana mandrakizay ary manolotra ho antsika ny tena fifaliana : fifaliana maharitra mandrakizay, tsy azo oharina amin'ireo hasambarana kely etỳ an-tany, izay asehon'ny divay ao amin'ny Teny.

 

n Niakatra tany Jerosalema Jesosy tamin'ny Paska, ilay fety jiosy mampahatsiahy ny nanafahana ny vahoaka tamin'ny fanandevozana tany Egypta.
Hitan'i Jesosy fa tao amin'ny Tempoly —izay Tranon'Andriamanitra, toerana fivavahana— dia nisy varo-maizina mahamenatra tamin'ireo biby nilaina hatao fanatitra ; koa noroahiny hivoaka ny Tempoly ireo  mpivarotra ary naongany ny latabatr'ireo mpanakalo vola izay nangoron-karena tamin'ny tsy fahamarinana.

 

Jaona 2. 13-22

13 Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, ka dia niakatra tany Jerosalema Jesosy.

14 Ary hitany teo an-kianjan’ny tempoly ny nivarotra omby sy ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola izay nipetraka teo ;

15 dia nanao kotopia kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra hiala teo an-kianjan’ny tempoly, na ny ondry na ny omby, ary nararany ny volan’ny mpanakalo vola, sady nazerany ny latabatra ; 16 dia hoy Izy tamin’ny nivarotra ny voromailala : Ento mivoaka ireto zavatra ireto ; aza atao trano fivarotana ny tranon’ny Raiko.

17 Ary ny mpianany nahatsiaro fa voasoratra hoe : “Ny firehetako ny amin’ny tranonao no haharìtra aina ahy” (Sal. 69. 9).

18 Fa namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe : Inona no famantarana asehonao aminay, no manao izao zavatra izao Ianao ?

19 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Ravao ity tempoly ity, ary amin’ny hateloana dia hatsangako indray izy.

20 Fa hoy ny Jiosy : Enina amby efapolo taona izay no efa nanaovana ity tempoly ity, ka Ianao va hahatsangana azy amin’ny hateloana ?

21 Fa ny tenany no tempoly nolazainy.

22 Ary koa, rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy, dia tsaroan’ny mpianany fa efa nilaza izany Izy ; ary dia nino ny Soratra Masina sy ny teny izay nolazain’i Jesosy izy.

 

Tadidiako fa :

Ny tempolin'i Jerosalema, izay tranon'Andriamanitra sy mariky ny fanatrehan'Andriamanitra teo anivon'ny vahoaka jiosy tamin'izany fotoana izany, dia tokony ho nihazona ny maha izy azy : toerana masina, trano fivavahana, trano fihaonan'i Jehovah sy ny vahoakany. Tsy izany anefa no zava-nisy, fa nataon'ny Jiosy trano fanaovana varo-maizina ny Tempoly. Dia nanao kotopia kofehy Izy (Jesosy) ka nandroaka azy rehetra hiala teo an-kianjan’ny tempoly”. Izany no fanadiovana voalohany ny Tempoly nataon'i Jesosy, fanadiovana manambara mialoha ny fitsarana ny Israely any aoriana any. Fa alohan'izany, dia tsy maintsy maty sy mitsangana ho velona indray aloha Jesosy, araka ny nambarany tamin'ilay kisarisary hoe : “Ravao ity tempoly ity, ary amin’ny hateloana dia hatsangako indray izy.

 

Ry kristiana, “ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina(1 Korintiana  6. 19), ka aza avela hanenika azy sy hanjaka ao na fahazaran-dratsy na eritreri-dratsy. Raha sanatria izany no zava-misy, dia avelao ny Tompo handamina izany ka hanamasina antsika.                 

 

n Ireo fihetsika voalohany namaliana ny fahagagana nataon'i Jesosy.
Ny fahitana ireo zavatra mahagaga ireo dia nitarika olona maro "hino" ny anarany, izany hoe hino fa Jesosy tokoa no Ilay Kristy nambaran'ny Soratra Masina ; saingy finoana ankosotra ihany izany, satria tsy voaova ny fon'izy ireo. Araka izany, ireo fahagagana dia tena manaporofo fa Jesosy no Kristy ; na izany aza anefa, ny tokony hinoana dia Izy, Ilay Zanak'Andriamanitra, ny teniny  —izay teny fiainana— sy ny asany.

 

Jaona 2. 23-25

23 Ary nony tao Jerosalema Jesosy tamin’ny Paska, dia tamin’ny andro firavoravoana, maro no nino ny anarany, raha nahita ny famantarana izay nataony.

24 Fa Jesosy tsy natoky azy, satria Izy nahalala ny olona rehetra ;

25 ary tsy nitady olona hanambara olona Izy ; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon’ny olona.

 

MIRESAKA AMIN'I JESOSY I NIKODEMOSY

Nikodemosy, mpanapaka iray teo amin'ny Jiosy izay nahalala tsara ny Lalàna (ny Testamenta Taloha), dia te hahafantatra bebe kokoa momba an'i Jesosy sy ny fampianarany ; alina izy no tonga nanatona Azy, noho ny fahatahorany ny olona. Tiany ho takatra hoe avy aiza ireny fahagagana ataony ireny, nefa nahodin'i Jesosy ny resaka mba hampahafantarany ny zavatra voalohany ilain'ny olombelona : ny fahateraham-baovao, fa raha tsy izany dia tsy hisy olona ho afaka miditra any amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Ny fanjakan'Andriamanitra tokoa mantsy dia efa teo amin'ny tenan'ny Tompo Jesosy, izay naneho ny toetra rehetra ara-toe-panahy misy ao amin'izany ; saingy mba hahitana Azy ka hahatakarana ny halehiben'i Jesosy, dia tsy maintsy “ateraka indray”.

 

Ny fahaterahana ara-boajanahary no idirana eo amin'ny tontolon'ny olombelona ; ary ampianarin'i Jesosy fa torak'izany koa, mila fahaterahana hafa hidirana ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra : ny fahateraham-baovao.

 

Jaona 3. 1-3

n Ilaina ny fahateraham-baovao, hahitana ny fanjakan'Andriamanitra sy hidirana ao.

1 Ary nisy Fariseo anankiray atao hoe Nikodemosy, mpanapaka tamin’ny Jiosy.

2 Izy nankao amin’i Jesosy nony alina ka nanao taminy hoe : Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin’Andriamanitra Ianao ; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy.

3 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Lazaiko aminao marina dia marina tokoa : Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra.

 

n Ny fahateraham-baovao dia tsy fanatsarana ny toetra taloha tsy akory, fa asa famoronana ataon'ny Fanahy Masina.

Jaona 3. 4-8

4 Hoy Nikodemosy taminy : Hataon’ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe ; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka ?

5 Jesosy namaly hoe : Lazaiko aminao marina dia marina tokoa : Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy.

6 Izay ateraky ny nofo dia nofo ; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.

7 Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe : Tsy maintsy hateraka indray ianareo.

8 Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.

 

n Tokony ho efa fantatr'i Nikodemosy, izay mpahay lalàna tany Israely, ny fahateraham-baovao, satria efa nambaran'ny faminaniana ao amin'ny Testamenta Taloha, ao amin'ny Ezekiela 36. 24-27. Nambaran'io mpaminany io fa ny vahoaka jiosy dia tsy afaka hanana anjara amin'ny fanjakan'ny Mesia, raha tsy misy ny vokatry ny fahateraham-baovao : “Ny mba ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra ... no hanadiovako anareo. Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo”.

Jaona 3. 9-11

9 Nikodemosy namaly ka nanao taminy hoe : Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany ?

10 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Ianao va no mpampianatra ny Israely ka tsy mahalala izany zavatra izany ?

11 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa : Izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay ; nefa ny fanambaranay tsy raisinareo.

 

                Fanamarihana

Lehilahy marina i Nikodemosy, saingy asehony fa ny olona mahalala indrindra ny fivavahana dia mety ho tena tsy mahafantatra na inona inona momba ny Tompo Jesosy sy ny abidian'ny fahamarinana ao amin'ny Tenin'Andriamanitra.

 

n Izao Jesosy dia hiresaka zavatra hafa, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany intsony, izany hoe ny fanjakan'ny Kristy any Israely ; horesahiny ny lanitra, ny fiainana mandrakizay, sy ny zavatra takiana mba hananana anjara amin'izany.

 

Jaona 3. 12-13

12 Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho ?

13 Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’olona, Izay any an-danitra.

 

n Mba hahafantarana ny “zavatra any an-danitra”, dia ilaina ny fiainana mandrakizay raisina amin'ny finoana an'i Kristy voahombo.
Tsy maintsy maty teo amin'ny hazofijaliana tokoa mantsy ny Kristy, ho sorona noho ny ota, mba hahazoantsika mandray ny fiainana mandrakizay ary hahafahantsika miditra any an-danitra sy mahalala ny zava-misy ara-panahy.

 

Jaona 3. 14-16

14 Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona,

15 mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.

16 Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

 

Mba hahatakarana bebe kokoa

Ny menarana varahina nasandratr'i Mosesy dia tsipy teny momba ireo menarana afo nalefan'Andriamanitra hanasazina ny vahoakany, ao amin'ny Nomery 21. 4-9 ; izay rehetra voakaikitra ka nijery io menarana io, kisarisarin'i Jesosy natao ota sy nasandratra teo amin'ny hazofijaliana, dia velona. Ny olona mijery ilay menarana dia kisarisarin'ny mpino mijery an'i Kristy eo amin'ny hazofijaliana, ary mino fa ho voavonjy izy noho izany ; rehefa voavonjy izy, dia manana ny fiainana mandrakizay.

Ny loharanon'izany famonjena mahagaga izany dia ny fitiavan'Andriamanitra, Izay nanome ny sarobidy indrindra taminy, dia ny Zanany Lahitokana, ho ana tontolo nankahala Azy. Lohahevitra mahatonga fitsaohana mandrakizay izany !

 

n Ny finoana ny Kristy voahombo dia ampy hahavoavonjy sy hahatakarana fa misy tokoa izany zava-baovao izany ; raha tsy misy io finoana io, dia mitoetra ny fahatezeran'Andriamanitra. Ny olombelona tsy manana an'Andriamanitra dia manao zava-dratsy ary mijanona ao anaty haizina.

 

Jaona 3. 17-21

17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.

18 Izay mino Azy dia tsy helohina ; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran’ny Zanaka Lahitokan’Andriamanitra izy.

19 Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin’izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany.

20 Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany.

21 Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin’Andriamanitra izany.

 

Tadidiako fa :

 “Ary nony tao Jerosalema Jesosy tamin’ny Paska, dia tamin’ny andro firavoravoana, maro no nino ny anarany, raha nahita ny famantarana izay nataony. Fa Jesosy tsy natoky azy, satria Izy nahalala ny olona rehetra ; ary tsy nitady olona hanambara olona Izy ; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon’ny olona(Jaona 2. 23-25).

Ahoana moa no hahatokisan'i Jesosy ny olombelona, Izy Izay nahalala tsara ny tao anatin'ny olona, dia ny ota, izay mahatonga ny mpanota ho lo tanteraka, lavitra an'Andriamanitra, ary tsy afaka miditra any an-danitra satria masina Andriamanitra ?  Koa dia hoy Izy : “Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona [eo amin'ny hazofijaliana], mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy ”, ary ambarany mialoha amin'izany ny fomba ahazoana famonjena, izay hatolotr'Andriamanitra ny olona very : ny famonjena amin'ny finoana ny asan'i Jesosy teo amin'ny hazofijaliana.

 

 

FIAFARAN'NY ASA FANOMPOAN'I JAONA MPANAO BATISA

 

Hifarana ny asa fanompoan'i Jaona Mpanao batisa, satria hanomboka ny Azy Ilay Mesia nambarany, dia Jesosy. Faly i Jaona mamela tsikelikely ny toerana rehetra ho Azy ary manandratra Azy ho Ilay avy any an-danitra ka ambonin'ny olona rehetra.

 

Jaona 3. 22-25

22 Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin’ny tany Jodia Jesosy sy ny mpianany ; ary niara-nitoetra taminy tao Izy sady nanao batisa.

23 Ary Jaona koa nanao batisa tao Ainona, akaikin’i Saleima, satria nisy loharano maro tao ; dia nankany ny olona ka nataony batisa.

24 Fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina Jaona.

25 Ary nisy nifandiran’ny mpianatr’i Jaona tamin’ny Jiosy anankiray ny amin’ny fanadiovana ;

 

n Nialona ireo mpianatr'i Jaona, nahita ny mpampianatra azy ireo voasongon'i Jesosy, ka nametra-panontaniana taminy.

 

Jaona 3. 26

26 ary tonga tany amin’i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe : Raby ô, Ilay tany aminao, tany an-dafin’i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy.

 

Fanamarihana

Kanefa tsy Jesosy no nanao batisa, fa ny mpianany(Jaona 4. 2).

Ny batisa nataon'ny mpianatr'i Jesosy dia batisan'ny fibebahana, toy ny an'i Jaona. Tsy nanao batisa Jesosy, satria ny tao an-tsainy dia ny batisa kristiana, izay batisa iarahana maty amin'i Kristy ; Kristy anefa mbola tsy maty.

 

n Ambaran'i Jaona Mpanao batisa ny toerana misy azy miohatra amin'ny Kristy, Izay tokony hitombo.

 

Jaona 3. 27-30

27 Jaona namaly ka nanao hoe : Tsy misy olona mahay mandray na inona na inona, raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany.

28 Ianareo no vavolombeloko fa hoy izaho : Tsy izaho no Kristy, fa nirahiny hialoha Azy aho. 29 Izay manana ny ampakarina no mpampakatra ; fa ny sakaizan’ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon’ny mpampakatra ; ary efa tanteraka izany fifaliako izany.

30 Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.

 

                Fanamarihana

Ny maha sakaizan'ny mpampakatra azy dia mampifanakaiky azy amin'ireo olo-masina tao amin'ny Testamenta Taloha, ary mampiavaka azy amin'ny kristiana, izay ho vadin'i Kristy.

 

 

NY FANAMBARAN'NY APOSTOLY JAONA NY KRISTY

 

n Ny Kristy dia nidina avy any an-danitra, koa ambonin'ny olona rehetra Izy.

 

Jaona 3. 31-35

31 Izay avy any ambony dia ambonin’izy rehetra ; ary izay avy amin’ny tany dia avy amin’ny tany, ka ny momba ny etỳ an-tany ihany no lazainy ; Izay avy any an-danitra dia ambonin’izy rehetra ;

32 koa izay hitany sy reny no ambarany ; ary tsy misy mandray ny fanambarany.

33 Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra.

34 Fa Izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny teniny ; fa tsy misy fetra ny fanomezan’Andriamanitra ny Fanahy.

35 Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany.

 

n Ny fahatongavan'ny Zanak'Andriamanitra teto an-tany dia mampisaraka ny zanak'olombelona ho sokajy roa :

Ireo izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra dia manana fiainana mandrakizay dieny izao ; fa ireo izay tsy mino kosa, dia ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.

 

Jaona 3. 36

36 Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy.

 

n Nosamborin'i Heroda i Jaona Mpanao batisa ary nataony an-tranomaizina.

Lioka 3. 19-20

19 Fa Heroda mpanapaka, nony nanarin’i Jaona noho ny amin’i Herodiasy, vadin-drahalahiny, sy noho ny ratsy rehetra izay nataony,

20 dia nanidy an’i Jaona tao an-tranomaizina ho fanampin’izany rehetra izany koa.

 

Tadidiako fa :

Jaona Mpanao batisa dia tsy ny Kristy, fa nalefa nialoha lalana Azy, mba hanomana ny fo ho amin'ny fahatongavany, sy mba ho vavolombelon'ny voninahiny manokana amin'ny maha Andriamanitra Azy. Tontosa ny asa nanirahana azy, ary hoy Jesosy momba azy : “Izy no ilay voasoratra hoe :'Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, izay hamboatra ny làlanao eo alohanao'. Lazaiko aminareo marina tokoa : Amin’izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao batisa” (Matio 11. 10-11). Nefa dia navelan'Andriamanitra hogadraina i Jaona Mpanao batisa. Izay no fiafaran'ny asa fanompoany, ary fiandohan'ny asa fanompoana ampahibemaso ataon'i Jesosy, Ilay Kristy.

 

 

FIANDOHAN'NY ASA FANOMPOANA AMPAHIBEMASO ATAON'I JESOSY, ILAY KRISTY

 

JESOSY MIRESAKA AMINA VEHIVAVY SAMARITANA, OLONA TSY JIOSY

 

Nahariharin'i Jesosy ny filana lalina indrindra tao anatin'ilay vehivavy Samaritana, mba hanambarany ny tenany ho Ilay Mesia, Ilay fanomezan'Andriamanitra ho an'ny olombelona, Ilay Mpamonjy izao tontolo izao.

 

n Jesosy, na dia Zanak'Andriamanitra aza, dia tena olombelona : nahatsiaro havizanana sy hetaheta Izy ; nipetraka teo amorona fantsakana iray Izy, ary nangataka rano hosotroina tamin'ity vehivavy samaritana, nitady izay hifandraisana aminy mba hitarihany azy tsikelikely hisaina ny zava-panahy.

 

Jaona 4. 3-12

3 dia niala tany Jodia Izy ka nankany Galilia indray.

4 Ary tsy maintsy mamaky an’i Samaria Izy.

5 Dia tonga tao an-tanàna anankiray any Samaria Izy, izay atao hoe Sykara, akaikin’ny tany izay nomen’i Jakoba ho an’i Josefa zanany.

6 Ary teo ilay fantsakan’ i Jakoba. Ary satria sasatra Jesosy tamin’ny nalehany, dia nipetraka teo am-pantsakana Izy, rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina.

7 Ary nisy vehivavy Samaritana anankiray avy hantsaka rano ; dia hoy Jesosy taminy : Omeo Aho hosotroiko.

8 (Fa ny mpianany efa lasa nankany an-tanàna hividy hanina.)

9 Fa hoy ravehivavy Samaritana taminy : Nahoana Ianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana ? (Fa ny Jiosy tsy manan-draharaha amin’ny Samaritana.)

10 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Raha fantatrao ny fanomezan’Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe : Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona.

11 Hoy ravehivavy taminy : Tompoko, tsy manana fanovozana Ianao, sady lalina ny fantsakana ; koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany ?

12 Ianao va lehibe noho Jakoba razantsika izay nanome anay ity fantsakana ity, sady izy sy ny zanany mbamin’ny bibiny no nisotro teto ?

 

n Nambaran'i Jesosy tamin'ilay vehivavy samaritana fa misy rano tsara lavitra noho ny ranon'ilay fantsakana : Jesosy mihitsy no loharanon'izany, ary manala hetaheta ho mandrakizay io rano io, “miboiboika ... ho fiainana mandrakizay”, ary mamaly ny filana lalina indrindra any anatin'ny olona any.

 

Jaona 4. 13-15

13 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray ;

14 fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay ; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.

15 Hoy ravehivavy taminy : Tompoko, omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony.

 

n Omen'i Jesosy amin'io rano io izay rehetra manaiky hotarafin'ny fahazavan'Andriamanitra —fahazavana mampiharihary izay rehetra tsy ara-dalàna eo amin'ny fiainana, rehefa miditra any anaty fieritreretana. Nony hitan'ilay vehivavy samaritana fa nahanjahanja toy izany ny fiainany, dia nekeny ny fahefan'i Jesosy, amin'ny maha Andriamanitra Azy.

 

Jaona 4. 16-19

16 Hoy Jesosy taminy : Andeha ary, antsoy ny vadinao, ka mankanesa atỳ.

17 Ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe : Tsy manambady aho. Hoy Jesosy taminy : Marina ihany izay nolazainao hoe : Tsy manambady aho ;

18 fa efa nanambady indimy ianao, sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny ; marina izany voalazanao izany.

19 Hoy ravehivavy taminy : Tompoko, hitako fa mpaminany Ianao.

 

n Nofafan'i Jesosy izay mety ho hambo ara-pivavahana teo amin'ilay vehivavy samaritana, ary ambarany fa hisy fifandraisana vaovao eo amin'ny olombelona sy Andriamanitra, Izay fantatra ho Ray, ary fomba vaovao hitsaohana : amin'ny fanahy sy fahamarinana.

 

Jaona 4. 20-24

20 Ny razantsika nivavaka teto amin’ity tendrombohitra ity ; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.

21 Hoy Jesosy taminy : Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin’ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ny Ray.

22 Ianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo ; izahay kosa mivavaka amin’izay fantatray, satria avy amin’ny Jiosy ny famonjena.

23 Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana ; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.

24 Andriamanitra dia Fanahy ; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.

 

                Fanamarihana

Mifarana izao ny fombafomba tsy maintsy arahina sy ny fivavahana anaovana sorona hita maso. Manomboka kosa ny fanatitra ara-panahy. Mifarana ihany koa ny fitoerana masina hita maso eto an-tany.

 

n Nanambara ny tenany tamin'ilay vehivavy samaritana Jesosy : Izy no Ilay Mesia.

Jaona 4. 25-27

25 Hoy ravehivavy taminy : Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy) ; ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra.

26 Hoy Jesosy taminy : Izaho Izay miresaka aminao no Izy.

27 Ary tamin’izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany ; nefa tsy nisy nanao hoe : Inona no tadiavinao ? na : Nahoana no miresaka aminy Ianao ?

 

n Voatsindrona lalina tamin'ny tenin'i Jesosy ilay vehivavy samaritana, ka nanambara manodidina azy fa nahita ny Mesia.

 

Jaona 4. 28-30

28 Dia nandao ny sininy ravehivavy ary nankany an-tanàna ka nanao tamin’ny olona hoe :

29 Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroa, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra ; Izao angaha no Kristy ?

30 Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona ka nankeo amin’i Jesosy.

 

n Nanery an'i Jesosy hisakafo ireo mpianany, nefa nilazany fa ny haniny dia ny manao ny sitrapon'Andriamanitra sy manatanteraka ny asany. Ny heriny sy ny fifaliany dia tovozin'i Jesosy ao amin'ny fiombonany amin'ny Rainy.

 

Jaona 4. 31-34

31 Ary raha tsy mbola tonga izy ireny, ny mpianany dia nangataka taminy ka nanao hoe : Hano, Raby ô.

32 Fa hoy Jesosy taminy : Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo.

33 Dia niresaka ny mpianatra ka nanao hoe : Nisy olona nitondra zavatra hohaniny va re ?

34 Hoy Jesosy taminy : Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.

 

n Efa tsikaritr'i Jesosy ny taom-pijinjana ho avy, fijinjana ara-panahy (ireo olona marobe havotany), koa nirahiny ny mpianany handeha eny amin'izao tontolo izao mba hitory ny Filazantsara.

 

Jaona 4. 35-38

35 Moa ianareo tsy manao hoe va : Efa-bolana no sisa, dia tonga ny fararano ? Indro, lazaiko aminareo : Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy.

36 Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.

37 Ary amin’izany dia marina ilay teny hoe : Ny iray mamafy, ary ny iray kosa mijinja.

38 Izaho naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo ; olon-kafa no nisasatra, fa ianareo kosa no niditra teo amin’izay nisasarany..

 

n Maro ireo Samaritana nino fa Jesosy tokoa no Ilay Kristy, Ilay Mpamonjy izao tontolo izao.

 

Jaona 4. 39-42

39 Ary maro ny Samaritana avy tao amin’izany tanàna izany no nino an’i Jesosy noho ny filazan-dravehivavy, izay nanambara hoe : Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko.

40 Ary rehefa nanatona Azy ny Samaritana, dia nangataka Azy hitoetra tao aminy ; ka dia nitoetra tao indroa andro Izy.

41 Ary maro koa no nino noho ny teniny

42 ka nanao tamin-dravehivavy hoe : Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao.

 

Tadidiako fa :

Vehivavy notsinontsinoavin'ny Jiosy (satria Samaritana) sy ireo mpiray firenena aminy (noho ny fiainany tsy ara-dalàna) no nofidin'ny Tompo, noho ny fahasoavany, hanambarany ny tenany ho Ilay hany afaka mamaly ny faniriana lalin'ny fo ka manolotra ny fiainana mandrakizay, loharanon'ny fahasambarana maharitra.

Ary io vehivavy io ihany koa no nanambarany voalohany ny fifandraisana vaovao tian'Andriamanitra haorina miaraka amin'ny olombelona : mba ho Ray no ahafantarana Azy, ary mba hitsaohana Azy “amin'ny fanahy sy ny fahamarinana”, izany hoe tsy amina fanolorana fanatitra hita maso intsony, toy ny fanao tamin'ny fivavahana jiosy, fa amina fo mahitsy, mahalala ny fitiavan'ny Ray sy ny fahasoavany, naseho tao amin'ny Zanany.

 

 

JCK